Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandravarava ny Fahafinaretan’i Satana

    Manontany anao i Jesôsy, moa hivarilavo any amin’ny afon’ireo bokin-tsikidy ve ianao? Ao amin’ny sinagôgan’i Satana dia misy hery manintona izay mitarika ho amin’ny fiveloman-dratsy, nefa misy vavolombelona tsy hita maso mitadidy ny zavatra rehetra natao tao amin’ny haizina. Sady filoha no mitarika fivoriana miaraka amin’ireo olona mieboebo, miavonavona, mifaly amin’ny fahadalana i Satana. Manodidina antsika mandrakariva ny fakam-panahy; misy rivotry ny hery miasa mangina avy amin’olona iray maka fanahy eo amin’izao tontolo izao na eo amin’ny Fiangonana izay tsy ho voahevitr’ireto farany akory. Raha toa ka ambara amin’ny olona iray ny ho toetrany amin’ny ho avy, dia ho gaga tahaka an’i Hazaela ihany izy rehefa injay fa nolazain’ny mpaminany azy ny ho fitondran-tenany amin’ny hoavy (...)HAT 241.3

    Ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra tsy eo ambanin’ny hery miasa manginan’ny Fanahin’Andriamanitra, dia indrisy fa ho kilalao eo am-pelatanan’i Satana ihany ho an’ny fahafinaretany izy; ohatra iray amin’izany ny fandraisany anjara amin’ny fampanalavirana ny tanora tsy handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana. Hisy fahamendrehana masina hameno ilay mpanota izay tsy niraharaha akory ny famonjena lehiben’Andriamanitra taloha raha mambabo fo iray ny fahasoavana mahay manovan’i Kristy. Hiandany tanteraka amin’Andriamanitra izy, vatana sy saina ary fanahy; noho ny fahasoavan’Andriamanitra izay hanjaka ao aminy amin’ny fahafenoany, dia tsy hisy intsony mety ho endrika fifandraisana amin’i Satana. Toy izay niseho teo amin’ny Efesianina, handà eo imason’ny vahoaka ny sikidiny izay namatotra azy akaiky tamin’i Satana. Hafoiny mandrakizay ny sain’ny fiandaniany amin’ny andrian’ny haizina, indro tonga eo ambany fanevan’i Imanoela izy. Hodorany avokoa ireo bokin-tsikidiny rehetra. — YI, 16 Nov. 1893.HAT 242.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents