Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Mpiasa Ilaina

    Manana fahafaha-manao sy tombony betsaka izay sarotra azo tamin’ny lasa isika ankehitriny. Manan-tombo amin’ny fahazavana isika, ary izany dia avy amin’ny asan’ireo mpitily mahatoky izay niankin-doha tamin’Andriamanitra ka nandray hery avy Aminy hahatonga ny fahazavana hamirapiratra eto amin’izao tontolo izao. Nampitombo izany hazavana nomen’Andriamanitra izany isika ankehitriny, tahaka izay nataon’ireo lehilahy sy vehivavy mendrika tamin’ny lasa. Nianatra mafy izy ireo mba hahazo ny lesona nomena tao amin’ny sekolin’i Kristy, ary tsy niasa foana. Nomena valim-pitia ny ezaka feno fikirizana nataony. Nifandray akaiky tamin’ny Tsitoha izy ireo, nefa dia mbola naniry fahatakarana lalina, avo ary mivelatra kokoa mikasika ny fiainana mandrakizay, mba hahafahan’izy ireo haneho amim-pahombiazana ny haren’ny fahamarinana amin’izao tontolo izao mahantra.HAT 21.2

    Mpiasa manana izany toetra izany no ilaina ankehitriny. Ireo lehilahy araka an’Andriamanitra, izay manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny lanitra, dia ireo izay, tahaka an’i Daniela, mampitombo ny fahaizany rehetra mba hahafahany maneho amin’ny fomba tsara indrindra ny fanjakan’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao feno faharatsiana. Zava-dehibe ny fampitomboana ny fahalalana; fa raha ampiasaina ho amin’ny asan’Andriamanitra izany, dia hery ho amin’ny tsara. Mitady lehilahy misaina, manana foto-kevitra hijoroana, mitombo mandrakariva amin’ny fahalalana sy fahatakarana izao tontolo izao . Ilaina maika ireo izay hampiasa izany ka hanome elatra ny fahamarinana hahatratra haingana ny firenena sy ny fiteny ary ny olona rehetra.HAT 21.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents