Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mifehy ny Fanahy

    Misy hery mahagaga ao amin’ny fahanginana. Aza mamaly rehefa misy teny tsy voahevitra atao aminao. Ireo teny lazaina hamaliana ny olona iray izay tezitra matetika no lasa ho toy ny karavasy manaitra ny toe-panahy ho romotra kokoa. Kanefa manjavona haingana ny fahatezerana tsenain’ny fahanginana. Aoka ny Kristianina hanisy lamboridy ny lelany, mandraisa fanapahan-kevitra hentitra ny tsy hiteny teny mandratra sy tsy amim-piheverana. Mety ho mpandresy amin’ireo fitsapana rehetra ny faharetana izay nantsoina holalovany izy rehefa misy lamboridy ny lelany.HAT 111.2

    Tsy afaka hifehy ny fanahiny amin’ny herin’ny tenany ny olona. Kanefa mety hahazo ny fifehezan-tena izy amin’ny alalan’i Kristy. Ao amin’ny Heriny no ahafahany mitondra ny fisainany sy ny fiteniny hilefitra eo amin’ny sitrapon'Andriamanitra. Mitondra ireo fihetseham-po ho eo ambany fifehezan’ny saina sy ny fifehezana ny lela ny fivavahan’i Kristy. Eo ambanin’ny hery miasa mangina avy aminy, dia milefitra ny toe-panahy mora tezitra, ary feno faharetana sy hatsaram-panahy ny fo.HAT 111.3

    Mifikira mafy amin’ilay Anankiray izay manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Na dia matetika loatra aza ianao no tsy mahomby amin’ny fanehoana faharetana sy fahatoniana, aza kivy amin’ny tolona. Mandraisa fanapahan-kevitra indray, ary hentitra kokoa amin’ity indray mitoraka ity, ny hanana faharetana eo anoloan’ireo fihantsiana rehetra. Ary aza esorina eo amin’ilay Ohatra tsara indrindra mihitsy ny masonao. - RH, 31 Okt. 1907.HAT 112.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents