Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 137 — Fahaizana Mifandray amin’ny Olona amin’ny Fomba Kristianina sy ny Fahalalam-Pomba

    Tsy dia tena voavolin’ny vahoakan’Andriamanitra tsara ny fahaizana mifandray amin’ny olona amin’ny fomba kristianina. Tsy tokony hatao tsinontsinona na hatao an-kambo io sampam-panabeazana io ao amin’ireo sekolintsika. - MYP 405.1.HAT 351.3

    Tokony hampianarina ny mpianatra fa tsy atôma mitokana sy mahaleo tena izy ireo, fa ny tsirairay avy amin’izy ireo dia kofehy iray mikambana amin’ny kofehy hafa mba hanamboarana lamba. Tsy misy toerana tsara kokoa noho ny sekoly ao an-tokantrano hahafahana mampita tsara io fampianarana io. Ao mantsy no misy toe-javatra maro isan’andro izay, raha hatsaraina, dia hanampy betsaka ny mpianatra amin’ny fampivoarana ny lafiny sôsialy amin’ny toetr’izy ireo. Ananan’izy ireo ny hery hampivoarana ny fotoany sy ny fahafaha-manaony mba hamolavolana toetra izay hanome fifaliana azy ary koa hilain’ny manodidina azy. Ireo izay mihidy amin’ny tenany, tsy manaiky ny hanome fitahiana ny hafa amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’izy ireo tahaka ny namana, dia ho very fitahiana maro; amin’ny alalan’ny fifandraisana mifamaly mantsy no ahafahan’ny saina mivoatra sy mivelatra; amin’ny alalan’ny fifaneraserana amin’ny fiarahamonina no hiforonan’ny fifankazarana sy hahazoana sakaiza ka izany no miteraka fifandraisam-po sy tontolom-pitiavana izay ankasitrahana eo anatrehan’ny lanitra. - MYP 405.2.HAT 351.4

    Ireo izay nanandrana ny fitiavan’i Kristy indrindra no tokony hampivelatra ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fiarahamonina, satria amin’ny alalan’izany dia mety hahazo fanahy ho an’ny Mpamonjy izy ireo. Tsy tokony hafenintsika ao am-pontsika i Kristy, tahaka ny fananan-tsarobidy masina sy mamy an’ny tena manokana; ny fitiavan’i Kristy ihany koa dia tsy tokony haseho amin’ireo olona sasantsasany izay tiana fotsiny. Tokony hampianarina ny mpianatra ny fomba fanehoana toetra feno hatsaram-panahy sy fahalianana tahaka ny an’i Kristy, vonona ny hanampy ara-tsôsialy ireo izay tena mila izany indrindra, na dia tsy isan’ireo namana nofidinao aza izany. Naneho fahalianana feno fitiavana ny taranak’olombelona i Kristy tamin’ny fotoana sy toerana rehetra, ary nizara ny fahazavan’ny fitiavam-bavaka amim-pifaliana tamin’ny manodidina azy Izy. Tokony hampianarina hanaraka ny diany ny mpianatra. Tokony hampianarina azy ireo ny haneho fahalianana, fiaraha-miory, sy fitiavana kristianina ho an’ireo tanora namany, ary koa hiezaka hitondra azy ireo ho eo amin’i Kristy; tokony hitoetra ao ampon’izy ireo i Kristy tahaka ny lava-drano manome fiainana mandrakizay ka mamelombelona izay rehetra mifandray aminy. - MYP 405.3 .HAT 352.1

    Io asa fanompoana ho an’ny hafa amin’ny fotoan-tsarotra izay feno fahavonona sy fitiavana io no isain’Andriamanitra ho sarobidy. Noho izany, na dia mbola mianatra any an-tsekoly aza, ny mpianatra dia afaka ny ho misiônera velona ho an’Andriamanitra raha toa ka mijoro ho mahatoky amin’ny asa napetraka taminy izy. Mila fotoana izany rehetra izany; kanefa tsy very maina ny fotoana lany amin’izany, satria izany no fomba hianaran’ny mpianatra maneho an’i Kristy amin’izao tontolo izao. - MYP 406.1.HAT 353.1

    Tsy nandà ny hifangaro tamin’ny hafa tamin’ny alalan’ny fifandraisana feno fisakaizana i Kristy. Rehefa voasa hiara-misakafo amin’ny Fariseo na mpamory hetra Izy, dia nanaiky izany fanasana izany. Nandritra ireny fotoana ireny, ny zavatra rehetra naloaky ny vavany dia nitondra fiainana ho an’ireo mpino azy; satria nampiasa ny fotoam-pisakafoana Izy mba hanomezana lesona sarobidy mifandray amin’ny filàn’izy ireo. Nampianarin’i Kristy ny mpianany ny fomba tokony hitondrana tena manoloana ireo tsy mpivavaka sy ireo izay mpivavaka ihany koa. - TFC, b. 6, tt. 172, 173. -MYP 406.2.HAT 353.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents