Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Hafatra Ho An'ny Tanora - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Herin-tsaina Ilaina

    Ho sehatra fakam-panahy ireo tanorantsika, koa tokony hobeazina hatoky hery ambony, fampianarana ambony, izay tsy hain’olombelona omena izy ireo. Ahitana mpaniratsira ny Tompontsika etsy sy eroa, izay maneho tsy fanajana ny fivavahana kristianina. Lazainy fa kilalaon-jaza izany, noforonina hanjakana amin’ny fahalemen-tsain’ny tsy mahalala.HAT 69.1

    Tsy afaka hijoro hiaro ny fahamarinana ireo izay tsy manana herin-tsaina; tsy sahy hiteny izy ireo hoe: «Raha tsy atsahatra izany resaka izany, dia tsy hiaraka aminareo aho. I Jesôsy, Mpanavotra izao tontolo izao no Mpamonjiko; ao Aminy no mifototra ny fanantenako ny fiainana mandrakizay.» Izany anefa no fomba mety indrindra hampanginana azy ireo. Raha miady hevitra aminy ianao, dia hanana teny havaly anao izy, ary tsy hanohina azy izay mety holazainao; fa raha miaina ho an’i Kristy ianao, ary raha matotra ianao amin’ny fanekena ny Andriamanitry ny lanitra, dia mety hahavita aminy izay tsy vitan’ny adihevitra ianao, ka handresy lahatra azy ny amin’ny fahadisoan’ny fampianarana entiny amin’ny alalan’ny herin’ny fanahafana an’Andriamanitra.HAT 69.2

    Tsy misy mampalahelo toy ny mahita ireo izay novidin’ny ran’i Kristy, nomena talenta hahafahany manome voninahitra an’Andriamanitra, manao ho fihomehezana ny hafatry ny fahasoavana nalefa ho azy ireo ao amin’ny filazantsara, mandà ny maha-Andriamanitra an’i Kristy, ary dia mitoky amin’ny fiheverany voafetra sy amin’ny hevitra tsy misy fototra ijoroany. Rehefa tsapain’ny fahoriana, ary rehefa mifanatrika amin’ny fahafatesana, dia manjavona tahaka ny zavona rehefa tonga ny masoandro ireo lainga izay nokolokoloina ireo.HAT 69.3

    Mafy erỳ ny mijoro manoloana ny vatana mangatsiaky ny olona nandà ny antson’ny famindrampon’Andriamanitra! Mafy ery ny miteny: Fiainana very ity! Anankiray afaka nahatratra tanjona ambony indrindra ity, nefa dia nomeny hofehezin’i Satana ny fiainany, lasa voababon’ny filôzôfian’olombelona, ka lasa kilalaon’ilay ratsy! Vato fantsika ho an’ny fanahy ny fanantenana kristianina, sady mafy no tsy mihetsika, ary miditra any anatin’ny efitra lamba; tany no nidiran’i Jesôsy ho Mpialoha antsika. Manana asa manokana hatao isika hiomana ho amin’ilay trangan-javatra lehibe manoloana antsika.HAT 69.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents