Go to full page →

Toko 156 — Fandanjalanjana Tsara sy Fifehezan-tena ao anatin’ny Fanambadiana HAT 406

Ireo milaza ny tenany ho Kristianina dia tsy tokony hiditra ao amin’ny fifandraisam-panambadiana raha tsy efa nodinihina tsara sy tamim-bavaka avy amin’ny fomba fijery avo ny raharaha raha toa ka azo omem-boninahitra amin’izany fikambanana izany Andriamanitra. Avy eo dia tokony handinika lalina ny vokatry ny tombontsoa rehetra avy amin’ny fifandraisana eo anivon’ny fanambadiana, ary ny fitsipi-piainana nohamasinina no tokony ho fototry ny asa rehetra. - MYP 462.1. HAT 406.2