Go to full page →

Adidy Ambony noho ny Fironana HAT 63

Rehefa miezaka ny hamaha ny fifehezan’i Satana ny tanora, dia hampitombo ny fakam-panahy alefany izy. Hanararaotra ny tsy fahalalany sy ny tsy fananany fanandramana izy ka hiezaka ny hanamaizina ny fanavahany ny marina sy ny diso. Hanova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava izy, ary hitaona ho amin’ny lalana voarara amin’ny alalan’ny fampanantenana fahafinaretana. Raha nizatra manaraka ny fironany fa tsy ny antson’ny adidy ny tanora, dia ho sarotra aminy ny hanohitra ny fakam-panahy. Tsy hitany ny loza amin’ny fanekena na indray mandeha monja aza ny fahafinaretana voarara. Hanaitra ireo singan’ny faharatsiana rehetra tavela ao am-po ny fitaoman’i Satana. — ST, 19 Jan. 1882. HAT 63.4