Go to full page →

Toko 23 — Faritra Malemy Iray HAT 71

Afaka ny hidera tena isika hoe afaka amin-javatra maro izay mahameloka ny sasany, nefa raha matanjaka ny singa sasany amin’ny toetrantsika, misy faritra iray malemy, dia mbola misy fifandraisan-tendro amin’ny ota sy ny fanahy. Mizarazara amin’ny fanompoana ny fo, ary milaza hoe: «Ny sasany ahy, ny sasany Anao”. Tokony hikatsaka ny ota izay tiany sy andeferany ny zanak’Andriamanitra, ary dia hamela an’Andriamanitra handroaka izany avy ao am-pony. Tokony handresy io ota tokana io izy, fa tsy zava-bitika eo imason’Andriamanitra izany HAT 71.2

Misy miteny hoe: «Tsy dia izay tena tsy saro-piaro aho, nefa kosa rehefa misy mihantsy ahy ka mahateny ratsy aho, dia malahelo foana aho rehefa nisendaotra tahaka izany.» Ny iray hafa miteny hoe: «Manana kilema toy izao sy izao aho, fa halako kosa ny haratsian-toetr’ilay olom-pantatro izay.” Tsy nanome antsika lisitra misy ny ambaratongam-pahotana Andriamanitra, ka hikajy isika fa ny sasany tsy dia mampaninona loatra sy tsy hanimba loatra, ny sasany kosa lehibe ka hisy fiantraikany be. HAT 71.3

Mafy araka ny masony iray faran’izay malemy ny rojo. Afaka milaza isika fa tsara amin’ny kapobeny ny rojo iray, kanefa raha misy masony iray malemy, dia tsy azo itokiana izy. Ny asan’ny fandresena no tokony ho fianarana ho an’ny fanahy tsirairay hiditra ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy tokony hivoaka amin’ny vavanao io teny tsy misy faharetana mampangovitra ny molotrao io. Ny eritreritra fa tsy tombanana araka ny tokony ho izy ny toetranao dia tokony halana ao aminao, fa mampahalemy ny hery miasa mangina avy aminao izany, ary dia ho tonga aminao tokoa izay tahotrao, hahatonga ny hafa tsy hihevitra anao tokoa. Tokony horesenao ny eritreritra fa maritiora ianao, hitoky kosa amin’ny teny fikasan’i Kristy manao hoe: «Ampy ho anao ny fahasoavako.» -RH, 1 Aog. 1893. HAT 72.1