Go to full page →

Fifehezana ny Eritreritra HAT 72

Tokony handositra ny toerana iasan’i Satana ianao, ary tsy hamela ny saina hiala amin’ny fanekena an’Andriamanitra. Afaka sy tokony ho sambatra ao amin’i Kristy ianao, ary hikolokolo fahazarana fifehezan-tena. Na dia ny eritreritra aza dia tokony hampanekena ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny fihetseham-po hofehezin’ny fisainana sy ny fivavahana. Tsy nomena anao havelanao hiridana ny eritreritrao ka hanana ny lalany tsy hisy fifehezana sy fitsipika. Raha ratsy ny eritreritra, dia ratsy ny fihetseham-po; ary ny eritreritra sy ny fihetseham-po no miaraka manapaka ny toetra. Raha manapa-kevitra ianao, amin’ny maha-Kristianina anao, fa tsy takina aminao ny hifehy ny eritreritra sy ny fihetseham-ponao, dia voatarika eo ambany hery miasa manginan’ny anjely ratsy ianao, ary dia manasa ny fanatrehany sy ny fifehezany. Raha manaiky ny fahatsapanao ianao, ka mamela ny eritreritrao hiahiahy ny hafa, hisalasala ary haneho tsy fifaliana, dia ianao no ilay tsy sambatra indrindra amin’ny olona, ary dia ho hita ny tsy fahombiazan’ny fiainanao. — TFC, b. 5, t. 310. HAT 72.2