Go to full page →

Ny Tombam-bidin’ny Fandresena HAT 76

Nandao ny zavatra rehetra ho an’ny olona i Kristy, mba ho afaka hahazo ny lanitra izy. Ankehitriny kosa dia anjaran’ny olona lavo ny maneho ny fandavan-tena hataony ho an’i Kristy, hahazoany ny voninahitra tsy mety lo. Izay mahatakatra ny velaran’ny famonjena sy ny tombam-bidiny, dia tsy mba himonomonona raha amin-dranomaso no hamafazany, ary raha ady sy fandavan-tena no anjaran’ny Kristianina amin’izao fiainana izao. — ST, 4 Mar. 1880. HAT 76.4