Go to full page →

Fifaliana avy amin’ny Fibebahana HAT 85

Andriamanitra no nandamina ny fepetry ny famonjena ny olona. Ny fanetren-tena sy ny fitondrana ny hazo fijaliany no nomena ny mpanota mibebaka hahitany filaminana sy fiadanana. Ny fahitana an’i Jesôsy nanaiky hanetry tena sy hanao sorona ny tenany ho an’ny olona, izay tsy hangatahina amin’ny olona hiaretany, dia hampangina ny feo mimonomonona rehetra. Tonga amin’ny olona ny fifaliana faran’izay mamy, amin’ny alalan’ny fibebahana marina amin’Andriamanitra noho ny fandikany ny lalany, ary amin’ny alalan’ny finoany an’i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy sy Mpanalalana ho an’ny mpanota. — ST, 4 Mar. 1880. HAT 85.3