Go to full page →

Eny amin’ny Saha Misiônera HAT 154

Ny fanabeazana amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainana andavanandro no hahatonga ny tanorantsika ho mahasoa rehefa mandao ny sekoly izy ireo ka mandeha any amin’ny firenen-kafa. Tsy ilain’izy ireo ny hiankina amin’ny olona izay handehanany mba hahandro sy hanjaitra ho azy ireo, na hamboatra ny trano onenany. Ary ho be kokoa ny hery miasa mangina avy amin’izy ireo raha toa ka afaka ny haneho izy ireo fa afaka hanabe ny tsy mahalala ny fomba hiasana amin’ny fomba fiasa tsara indrindra sy mahavokatra be indrindra. Vola kelikely kokoa no ilaina angonina hanohanana ny misiônera toy izany, satria nampiarahiny amin’ny fianarana nataony ny fampiasana ho amin’ny tsara indrindra ny heriny ara-batana, tamin’ny asa mahasoa sy ilaina andavanandro. Tena hankasitrahana izany any amin’ny toerana izay sarotra ny fahazoam-bola. Haneho izany fa ireo misiônera ireo dia afaka ny ho tonga mpanabe amin’ny fampinarana ny fomba fiasana. Ary na aiza na aiza mety halehany, izay rehetra mety ho azony amin’izany fomba izany dia hanome laza azy. - CTPS, tt. 307-314. HAT 154.4