Go to full page →

Toko 52 — Ny Fahatokiana eo amin’ny Mpianatra HAT 155

Ireo mpianatra izay milaza ho tia an’Andriamanitra sy mankatò ny fahamarinana dia tokony hanana izany fifehezan-tena sy herin’ny fitsipi-piainana ara-pivavahana izany izay hahatonga azy ireo ho afaka ny hitoetra tsy azo hozongozonina eo anivon’ny fakam-panahy, ary hijoro ho an’i Jesôsy ao an-tsekoly, manodidina ny tranony, na aiza na aiza mety hisy azy. Ny fivavahana dia tsy natao hotafina fotsiny tahaka ny akanjobe ao an-tranon’Andriamanitra. Tokony hampiavaka ny fiainana manontolo ny fitsipi-piainana ara-pivavahana. HAT 155.1