Go to full page →

Antony Manosika Ambony Kokoa noho ilay Fangoraham-Po TF 213

Ny fahamaizinana ara-môraly eto amin’ity tontolo mitotongana ity dia mitalaho ny kristianina lahy sy vavy mba hanao ezaka isam-batan’olona, sy hampiasa ny fananany sy ny fahefany mba handraisan’izy ireo ny endrik’Ilay izay, na dia nanana harena tsy mety lany aza, dia tonga mahantra noho ny amintsika. Ny Fanahin’Andriamanitra dia tsy afaka ny homba ireo izay nanankinany ny fitoriana ny hafatry ny fahamarinany kanefa mila entanina mandrakariva izay vao mahatsapa ny adidiny amin’ny maha-mpiara-miasa amin’i Kristy azy. Manizingizina ny apôstôly fa mila fototra ambony kokoa noho ny fangoraham-po ny fanaovana fanatitra, satria miovaova ny fihetseham-po. Manizingizina ny foto-kevitra izy fa tokony hiasa tsy amim-pitiavan-tena isika, amin’ny maso mifantoka amin’ny voninahitr’Andriamanitra. - 3T, t. 391. TF 213.2