Go to full page →

Fandrika Velarin’i Satana TF 256

Matetika, rehefa omen’Andriamanitra fotoana fanararaotra hahafahany manokana ny hareny amin’ny fampandrosoana ny asany ireo anadahintsika dia maneho aminy sehatrasa maromaro hahafahany mandray avo roa heny koa ireo olon’i Satana. Latsaka ao anatin’izany fandrika izany izy ireo; ary mandrotsaka ny volany rehetra ao ka tsy manana na dia iray dolara monja aza hanatanterahana ny asan’Andriamanitra. TF 256.1

Ry ranadahy, tadidio mandrakariva ny asa nankinina tamintsika, ary rehefa manana fahafahana eo am-pelatanana isika, dia atokany amin’ny fanorenana azo antoka izay afaka hisedra ny fotoana ho avy izany dia ilay toeram-pialofana azonao entina mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Nitondra tena tahaka ny mahantra indrindra i Jesôsy mba ahafahantsika mampitombo ny harentsika any an-danitra. Inona re no mba afoinao ho an’i Jesôsy izay nanome ny zavatra rehetra ho anao e? - TFC 5, tt. 154, 155. [250] TF 256.2