Go to full page →

Fitsitsiana Avy amin’ny Fitsipi-Pitondran-Tena TF 272

Ireo izay malala-tànana mamaly ny antso ary manohana ara-bola ny asan’Andriamanitra ka manampy ireo mijaly sy mila fanohanana, dia tsy mba isan’ireo olona izay tsy nahomby sy mosalahy ary be hakamoana teo amin’ny asa aman-draharahan’izy ireo. Olona feno fitandremana fatratra mba tsy hanao fandaniana mihoatra ny vola miditra aminy Izy ireo. Tena manana fitsipi-pitondran-tena amin’ny resaka fitsitsiana mihitsy izy ireo; ary mahatsapa ny andraikiny miezaka mitahiry mba hahafahany manana zavatra hatolotra. TF 272.1