Go to full page →

Ny Voninahitra Ambony Indrindra, ny Fifaliana Lehibe Indrindra TF 23

Andriamanitra no loharanon’ny aina sy ny fahazavana ary ny fifaliana eto amin’izao tontolo rehetra izao. Tahaka ny tara-pahazavana avy amin’ny masoandro no ikorianan’ny fitahiana avy Aminy ho amin’ny voary rehetra noforoniny. Tao anatin’ny fitiavany tsy manam-petra no nanomezany ny olombelona ny tombontsoa ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Izy kosa, amin’izay, dia hanaparitaka izany fitahiana izany amin’ireo mpiara-belona aminy. Izany no voninahitra ambony indrindra sy fifaliana lehibe indrindra azon’Andriamanitra omena ny olombelona. Noho izany, dia ireo izay manakaiky indrindra ny Mpamorona azy no lasa mpandray anjara amin’ny asam-pitiavana. Izay mandà tsy ho “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” — dia ny olona izay manao tsinontsinona ny zavatra ilain’ny mpiara- belona aminy noho ny fampanaranam-po feno fitiavan- tena, ny kahihitra izay mamory ny hareny eto an-tany, - dia manakana tsy ho aminy ireo fitahiana manan-karena azon’Andriamanitra omena azy. - RH, 6 Des. 1887. TF 23.1