Go to full page →

Fahafatesan’ny Toe-Panahy Araka an’Andriamanitra Rehetra TF 27

I Kristy no ohatra ho antsika. Natolony ho sorona ho antsika ny ainy, ka mangataka Izy ny hanolorantsika ny aintsika ho sorona ho an’ny hafa. Amin’izay dia afaka handroaka ny fitiavan-tena izay ezahin’i Satana tsy an-kiato volena ao am-pontsika isika. Miteraka fahafatesan’ny toe- panahy araka an’Andriamanitra rehetra io fitiavan-tena io, ary amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika irery ihany no hahafahana mandresy izany. Tsy hamela olona iray tia tena hiditra ny kianjan’ny lanitra i Kristy. Tsy misy olona mpierina afaka mandingana ireo vavahady vita amin’ny perila; satria fanompoan-tsampy ny fieremana rehetra.- RH, 11 Jol. 1899. TF 27.2