Go to full page →

Resy ny Fieremana sy ny Fahihirana TF 29

Tokony hanokana ny fananany rehetra ho an’Andriamanitra ny mpanan-karena, ary izay manana vatana sy saina ary fanahy nohamasinin’ny fahamarinana dia hanokana ihany koa ny fananany ho an’Andriamanitra, ka ho lasa masoivoho izay hanatrarana fanahy hafa izy. Ho hita miharihary eo amin’ny fanandramany sy ny ohatra avy aminy fa manana hery handresena ny fieremana sy ny fahihirana ny fahasoavan’i Kristy. Ary ny mpanan-karena izay mamerina amin’Andriamanitra ny fananana nankininy taminy, dia horaisina ho toy ny mpitantana mahatoky, ka afaka haneho amin’ny hafa fa ny dôlara tsirairay amin’ny fananany dia voatomboky ny endrika sy ny soratr’Andriamanitra. — RH, 19 Sept. 1893. TF 29.1