Go to full page →

Ny Toriteny Sarotra Indrindra TF 31

Ny toriteny sarotra torina indrindra sy mafy indrindra ny fampiharana azy dia ny fandavan-tena. Ny mpanota fatra- pitia harena sy ny tena, dia manakatona ny varavarana amin’ny zavatra tsara tokony hatao, saingy tsy vita satria ampiasaina amin’ny tanjona feno fitiavan-tena ny vola. Tsy misy olona anefa mahavita mihazona ny fankasitrahan’Andriamanitra sy hankamamy firaisana amin’ny Mpamonjy, no sady tsy miraika amin’ny zavatra mahasoa ny mpiara-belona aminy, izay tsy manana fiainana ao amin’i Kristy sy potraka ao anatin’ny fahotany. Namela ohatra mahafinaritra ho antsika momba ny fanoloran-tena i Kristy (...). TF 31.1

Raha manaraka Azy eo amin’ny lalan’ny fandavan- tena isika, ka manainga sy mitondra ny hazo fijaliana ao aoriany, hizotra ho any an-tranon’ny Rainy, dia haneho ny hatsaran’ny fiainan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika isika. Eo amin’ny alitaran’ny fanoloran-tena — ilay toerana voatondro hihaonan’Andriamanitra sy ny fanahy — no andraisantsikaavy eo an-tanan’Andriamanitra ny fanilon’ny lanitra, izay mandinika ny fo, anehoana amintsika fa ilaintsika ny fombàn’i Kristy antsika. - RH, 31 Jan. 1907. TF 31.2