Go to full page →

Ny Fotoana sy ny Hoenti-Manana Atokan'Andriamanitra ho Azy TF 68

Teny tena mitovy ihany no ampiasaina mikasika ny Sabata sy mikasika ny lalàn'ny ampahafolony: “Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito”. Tsy manan-jo na fahefana hanova ny andro voalohany ho andro fahafito ny olona. Azony atao ny miseho ho manao izany; “Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara. ” 2 Tim. 2:19. Tsy hampihena ny fitakian'ny lalàn’ Andriamanitra ny fanaon'ny olona sy ny fampianarany. Nanamasina ny andro fahafito Andriamanitra. Io ampaham- potoana miavaka io, izay natokan'Andriamanitra mihitsy ho amin’ny fiankohofana masina, dia mbola masina hatrany ankehitriny tahaka ny tamin’ny fotoana nanamasinan'ny Mpamorona azy tamin’ny voalohany TF 68.1

Tahaka izany koa, “masina ho an'i Jehovah” ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra amintsika. Tsy mamerina mandidy ny lalàna momba ny ampahafolony ny Testamenta Vaovao, tahaka ny tsy amerenany ny didy momba ny Sabata; satria efa ekena fa manan-kery foana izy roa ireo, ary efa nohazavaina ny heviny lalina ara-panahy (...). Raha miezaka amim-pahatokiana ny hanolotra ho an'Andriamanitra ny fotoana izay natokana ho Azy isika, amin’ny maha-vahoakany antsika, tsy hamerina Aminy ny ampahany amin’ny fananantsika izay takiny ihany koa ve isika? - RH, May 16, 1882. TF 68.2