Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fotoana sy ny Hoenti-Manana Atokan'Andriamanitra ho Azy

    Teny tena mitovy ihany no ampiasaina mikasika ny Sabata sy mikasika ny lalàn'ny ampahafolony: “Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito”. Tsy manan-jo na fahefana hanova ny andro voalohany ho andro fahafito ny olona. Azony atao ny miseho ho manao izany; “Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara. ” 2 Tim. 2:19. Tsy hampihena ny fitakian'ny lalàn’ Andriamanitra ny fanaon'ny olona sy ny fampianarany. Nanamasina ny andro fahafito Andriamanitra. Io ampaham- potoana miavaka io, izay natokan'Andriamanitra mihitsy ho amin’ny fiankohofana masina, dia mbola masina hatrany ankehitriny tahaka ny tamin’ny fotoana nanamasinan'ny Mpamorona azy tamin’ny voalohanyTF 68.1

    Tahaka izany koa, “masina ho an'i Jehovah” ny ampahafolon’ny vola rehetra miditra amintsika. Tsy mamerina mandidy ny lalàna momba ny ampahafolony ny Testamenta Vaovao, tahaka ny tsy amerenany ny didy momba ny Sabata; satria efa ekena fa manan-kery foana izy roa ireo, ary efa nohazavaina ny heviny lalina ara-panahy (...). Raha miezaka amim-pahatokiana ny hanolotra ho an'Andriamanitra ny fotoana izay natokana ho Azy isika, amin’ny maha-vahoakany antsika, tsy hamerina Aminy ny ampahany amin’ny fananantsika izay takiny ihany koa ve isika? - RH, May 16, 1882.TF 68.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents