Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahasimban’ny Fahaiza-Manao Voajanahary

    Toetra voajanahary nomen’Andriamanitra ny olombelona entina hanatrarana tanjona ambony ny faniriana hamory harena. Rehefa hanontaniana mahakasika ny tanjona tiany hotratrarina amin’ny fanangonana ireo harena mihoampapana eto an-tany ireny mpandraharaha mpampiasa vola ireny, izay mandany ny heriny rehetra sy mampiseho fahaiza-manao eo amin’ny fampitomboana ny eo am-pelatanany dia tsy hahita valin-teny mazava akory. Tsy vitan’ízy ireny ny hamaritra tsara ny tanjona fara tampony tiany hotratrarina ary tsy hainy ny manazava ny endrika hasambarana azony. Manohy mitady harena izy satria efa nafantony tao avokoa ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony rehetra. Faniriana lalina ao amin’ny olombelona rehetra tsy mbola nandalo fanavaozam-piainana ny manenjika hahazo izay mbola tsy ananany. Entin’ny fahazarana izy ireny dia nampivelatra ny fitiavana te hahazo mihoatra noho ny antonony, hotehirizina ho amin’ny ho avy, isaky ny mieritreritra na manao hetsika iray. Ary arakaraka ny hitomboan’ny taonany no hananany faniriana tsy hita pesimpesenina hitombo fananana hatrany hatrany. Tsy mahagaga raha hita fa mitombo mandrakariva amin’ny fitiavana ireo zavatra eto amin’izao tontolo izao izy ireny arakaraka ny maha-akaiky ny fotoana izay hahaverezan’ireo zavatra ireo.TF 163.4

    Ny heriny rehetra, ny fikirizany, ny fahatapahan-keviny, ny fahaiza-manaony mba ahazoana fahefana eto amin’ity tany ity dia vokatry ny fahasimban’ny fahaiza-manaony izay manaraka tanjona feno fitaka.TF 164.1

    Ireny fahaiza-manao ireny dia azo nohararaotina araka izay tokony ho izy mba hampiasaina hahazoana ny fiainana mandrakizay sy hahazoana ny satroboninahitry ny fiainana. Ireo izay milaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra sy mikatsaka ny fiainana mandrakizay dia tokony hianatra ny fomba fiasa sy ny fomba fanaon’ireo olona eto amin’izao tontolo izao amin’ny ezaka feno faharetana ataony hanatrarana ireo fotoana fanararaotra hanangonana harena. Mahatsinjo lavitra kokoa manoloana ny vaninandrony ny zanak’izao tontolo izao mihoatra ny zanaky ny fahazavana ary mifono fahendrena izany. Ny heriny rehetra dia mirona mankany amin’ny fitadiavana ireo tombontsoa eto an-tany izay katsahiny fatratra. He! Raha mba izany zotom-po izany tokoa moa no mamaritra ny toetran’ireo izay miasa hikatsahana ny harena any an-danitra. - RH, 1 Mar. 1887TF 164.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents