Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiovana Hita Miharihary Hatramin’ny Andron’ny Jiosy

    Tokony hanokana, voalohany indrindra, ny anjaran’Andriamanitra isika amin’ny vola rehetra miditra amintsika. Nasaina nitondra teo anatrehan’i Jehôvah ny voaloham-bokatry ny fanomezana rehetra nomena azy ny Jiosy, na amin’ny vokatry ny ondry aman’osy sy ny omby io, na amin’ny vokatry ny taniny na ny sahany na ny tanimboalobony; na hanavotra izany amin’ny alalan’ny fanoloana azy amin’ny zavatra mitovy aminy teo amin’ny rafitra fanomezana amim-pahalalahan-tanana nandidiana azy. Nanao ahoana re ny fiovan’ny fizotry ny zava-misy amin’izao androntsika izao e! Avela amin’ny farany ny fitakian’Andriamanitra sy ny teniny, raha mba misy mihaino izany. Kanefa dia mila hoenti-manana avo folo heny mihoatra noho izay nilain’ny Jiosy ny asantsika ankehitriny.TF 70.3

    Ny baiko lehibe nomena ny apôstôly dia ny handeha any amin’izao tontolo izao ka hitory ny filazantsara. Maneho ny fitaran’ny asa sy ny andraikitra mitombo mipetraka eo an- tsorok’ireo mpanara-dia an’i Kristy amin’izao androntsika izao io. Raha nitaky ny ampahafolony sy ny fanatitra ny lalàna tany amin’ny arivo taona maro lasa tany, dia azo antoka fa manan-danja be lavitra izany ankehitriny. Raha tsy maintsy nanolotra vola arakaraka ny fananany ny mpanan-karena sy ny mahantra teo amin’ny toe-karena jiosy, dia manan-danja avo roa heny izany ankehitriny. - 4T 474.TF 71.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents