Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fitomboana ara-Panahy sy ny Fahalalahan-Tanana Kristianina

    Amin’ny anaran’ny Tompo, mitalaho amin’ny anadahiko sy ny rahavaviko aho, eo amin’izao olana eo amin’ny asantsika izao, mba hanatona ka hanampy ny Tompo, hanampy ny Tompo amin’ny adiny amin’ny mahery. Mitondra ozona mandrakariva ny fihazonana izay an’Andriamanitra. Mifamatotra ety amin’ny fahalalahan-tanana kristianina ny fitomboana ara-panahy. Aoka haniry fatratra ny fisandratana amin’ny fanahafana ny fahalalahan-tanan’ny Mpanavotra fotsiny ihany. Manana toky azo antoka sy sarobidy ianareo fa mialoha lalana anareo any amin’ny kianjan’ny lanitra ny harenanareo.TF 51.2

    Tianao ho ao amin’ny toerana azo antoka ve ny fanananao? Apetraho eo am-pelatanan’ilay mitondra ny mariky ny hazo fijaliana izany. Fihino ho fanananao avokoa ny harenanao rehetra, dia hahita fatiantoka mandrakizay ianao. Omeo an’Andriamanitra izany, dia hitondra ny fankasitrahany manomboka amin’izay fotoana izay. Ho voatomboka hirakitra ny tsy fiovaovany mandrakizay izany. Irinao ve ny higoka amim-pifaliana ny fanananao? Raha izany dia ampiasao mba hitahiana ny mijaly izany. Tianao hampitomboina ve ny harenanao? “Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra; Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, ary hihoatra ny ranom- boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.” Ohab. 3:9,10.TF 52.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents