Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Eanolorana

    Ny Departemanta Fanahin’ny Faminaniana eto amin’ny Fivondronamben’ny Federasiona Fiangonana Advantista Ranomasimbe Indianina, dia nandika ho teny malagasy ity boky ity, mba hanomezana ny olona rehetra ny torolalana ho amin’ny fahaiza-mitantana, araka ny teny avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra izay nampitondrainy ny mpanompony, dia Ramatoa Ellen G. White izany. Samy mpitantana ny fananan’Andriamanitra avokoa ny olona rehetra hatramin’ny nahaterahany ka mandra-pahafatiny. Tokony ho mahatoky ny mpitantana, ary ity boky ity no hanampy azy hahalala mazava ny andraikiny eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tsy maintsy ampamoahina indray andro any ny mpitantana. Hoy ny fanambaran’ity boky ity amin’ny teny anglisy Counsels On Stewardship, t. 22: “Ho fizahan-toetra antsika no anoloran’Andriamanitra fananana ara-nofo antsika, satria arakaraka ny fomba ampiasantsika izany no hitsaran’Andriamanitra raha azo tolorana ny harena maharitra mandrakizay isika”.TF 4.1

    Samy ampamoahan’Andriamanitra antsika avokoa na:TF 4.2

    1) Ny fampiasana ireo talenta nomeny,TF 4.3

    2) Ny fampiasana ny fotoana,TF 4.4

    3) Ny fitantanana ny vola,TF 4.5

    4) Ny fikarakarana sy fikolokoloana ny vatana tempolin’ny Fanahy Masina,TF 4.6

    5) Ny fitantanam-piainana.TF 4.7

    Mino izahay fa ny famakianao sy ny fandalinanao ity boky ity, dia hiteraka fahaiza-mitantana sy fahatokiana ho anao amin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra.TF 4.8

    “Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina [mpitantana fananana] dia tokony ho olona mahatoky.” - 1 Kôr. 4:2TF 4.9

    “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy mitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan- kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany”. - 1 Tim 6:6-8.TF 5.1

    Elder RAJAO.RISON Velomanantsoa,
    Tale Mpiara-miasa,

    Departemanta Fampielezam-boky /
    Fanahin’ny Faminaniana
    Fivondronamben’ny Federasiona
    Fiangonana Advantista
    Ranomasimbe Indianina (IOUC)

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents