Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandrotsaha Vola ao amin’ny Bankin’ny Lanitra Ankehitriny

    Tsy efa tonga ve ny fotoana izay tokony hanombohantsika ny fisarahana amin’ny fananantsika? Andriamanitra anie hanampy anareo izay afaka manao zavatra ankehitriny mba handrotsa-bola ao amin’ny bankin’ny lanitra. Tsy mangataka fampindramam-bola izahay, fa fanatitra an-tsitrapo, - famerenana amin’ny Tompo ny ampahany amin’ny fananany izay nampindraminy anao. Raha tena tia an’Andriamanitra ianao, ary raha tia ny namanao tahaka ny tenanao, dia mino izahay fa hanome porofo azo tsapain-tanana ny amin’izany ianao, amin’ny alalan’ny fanatitra an-tsitrapo ho an’ny asa nanirahina antsika. Misy fanahy maro tokony hovonjena, ka enga anie mba ho mpiara-miasa amin’i Jesôsy Kristy ianao eo amin’ny famonjena ireo fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy ireo. Hitahy anao ny Tompo eo amin’ny vokatra tsara izay hoentinao ho voninahiny. Enga anie ka hambabo ny fonao ilay Fanahy Masina izay nanindry mandry ny Baiboly, ka hitarika anao hitia ny teniny, izay fanahy sy fiainana. Enga anie ka hanokatra ny masonao izany teny izany, mba hamantaranao izay an'ny Fanahin'Andriamanitra. Ny antony mampisy fivavahana sahozanina tena maro ankehitriny dia satria tsy nitondra fandavan-tena sy fanoloran-tena azo tsapain-tanana teo amin’ny fiainany ny olona. - RH, 8 Jan. 1889.TF 54.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents