Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahalalahan-Tanana amim-Pifaliana amin’ny Asa Famaranana

    Amin’ny andro tena farany, mialoha ny hifaranan’ity asa ity, dia hisy fanomezana an’arivony maro hatolotra eo amin’ny alitara. Hisy lehilahy sy vehivavy hahatsapa fa tombontsoa feno fitahiana ny mandray anjara amin’ny asa fanomanana fanahy mba hijoro amin’ny andro lehiben’Andriamanitra, ka hanolotra dôlara an-jatony maro mora foana tahaka ny anomezana dôlara kely ankehitriny.TF 40.2

    Hohitantsika miseho eny io toe-tsaina io raha miredareda ao am-pon’izay milaza azy ho vahoakany ny fitiavana an’i Kristy. Raha tena tsapan’izy ireo fa tena antomotra ny fiafaran’ny asa rehetra ho famonjem-panahy, dia hatolotr’izy ireo maimaimpoana tahaka izay nataon’ireo mambran’ny fiangonana voalohany ny fananany. Hiasa amim- pahamatorana mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra izy ireo, tahaka ny ataon’ny olon’izao tontolo izao mba hahazoana harena. Hampiasaina ny fahaizana miteny sy ny fahaizana rehetra, ary hisy asa matotra sy tsy misy fitiavan- tena hotanterahina mba hahazoana hoenti-manana, tsy hangonina ho an’ny tena manokana, fa harotsaka ao amin’ny trano firaketan’i Jehôvah.TF 41.1

    Maninona raha tonga malahelo noho ny fampiasana ny volany ho amin’ny asan’Andriamanitra ny sasany? Tonga malahelo noho ny aminareo i Kristy; fa ianareo kosa mamory harena mandrakizay ho anareo ihany, dia harena any an- danitra izay tsy mety ho lany. Amin’izay ny fanananareo dia ho ao amin’ny toerana azo antoka lavitra kokoa noho izay raha arotsaka any amin’ny banky na ampiasaina ho amin’ny fividianana trano sy tany izany. Voatahiry ao anatin’ny kitapom- bola tsy mety ho tonta izany. Tsy misy mpangalatra afaka manatona izany, ary tsy misy afo afaka mandevona azy (...).TF 41.2

    Rehefa mankatò ny baikon’ny Mpamonjy isika, dia hanakoako mafy kokoa noho ny teny ny ohatra omentsika. Hita ny fanehoana ambony indrindra ny herin’ny fahamarinana rehefa porofoin’ireo izay milaza fa mino izany amin’ny alalan’ny asany ny finoany. Ireo izay mino io fahamarinana miezinezina io dia tokony hanana ny toe-tsain’ny fanoloran-tena izay hananatra ny firehetam- pon’izao tontolo izao ao amin’ireo mpiankohoka amin’ny vola. - HSFM SDA, tt. 291-293.TF 41.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents