Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 13 - Mifototra Amin’ny Foto-Kevitra Mandrakizay

    Aloha lavitra noho ny tamin’ny andron’i Mosesy no nipoiran’ny drafitra famerenana ampahafolony. Nasaina nanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra ho amin’ny raharaha ara-pivavahana ny olona mialoha ny nanomezana an’i Mosesy ilay rafitra mazava. Nipaka hatrany amin’ny andron’i Adama mihitsy aza izany. Ho fanarahana ny fitakian’Andriamanitra, dia naneho ny fankasitrahany ny famindrampony sy ny fitahiany azy ireo tamin’ny alalan’ny fanatitra izy ireo. Notohizana nandritra ireo taranaka nifandimy izany, ary notanterahin’i Abrahama, izay nanolotra ny ampahafolony ho an’i Melkizedeka, ilay mpisoron’Andriamanitra avo indrindra.TF 72.1

    Nisy ihany koa io foto-kevitra io tamin’ny andron’i Jakôba. Raha tonga tany Betela i Jakôba, mpirenireny natao sesitany sy tsy nanana na dia vary iray venty aza, dia nandry manirery izy nony alina, vato no niondanany, ary teo izy no nampanantena an’Andriamanitra hoe: “Izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.” Tsy manery ny olona Andriamanitra. Tsy maintsy ho an- tsitrapo izay rehetra homen’izy ireo. Tsy tiany hofenoina amin’ny fanatitra tsy vokatry ny fo ny firaketany. - 3T 393.TF 72.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents