Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Maintsy Ampiasaina ny Talenta Nankinina

    Tsy misy tokony hilaza sy hitoloko fa tsy manana talenta betsaka izy ireo. Rehefa ampiasaina ho voninahitr’Andriamanitra ireo talenta nomeny azy ireo, dia hitombo izany. Tsy fotoana izao hitolokoana ny amin’ny toerantsika eo amin’ny fiainana, sy hanalana tsiny ny fanaovantsika tsirambina ny fampitomboantsika ny fahaizantsika satria tsy manana ny fahaizana sy ny toerana ananan’ny hafa isika, hilaza hoe: Raha mba nanana ny fanomezam-pahasoavany na ny fahaizany aho, dia mety nanolotra petra-karena betsaka kokoa ho an’ny Tompoko. Raha mampiasa tsara sy amim-pahendrena ny talentany tokana ny olona tahaka izany, dia izay no angatahin’ny Tompo amin’izy ireo (...).TF 131.2

    Manantena aho fa hisy ezaka hatao any amin’ny fiangonana tsirairay mba hamohazana ireo izay tsy manao na inona na inona. Enga anie ka ataon’Andriamanitra izay hahatakaran’izy ireo fa hitaky ny talenta anankiray nampiroboroboina amin’izy ireo Izy; ary raha manao tsirambina ny fahazoana talenta ambonin’ilay anankiray izy ireo, dia ho hitan’izy ireo fa ho very io talenta anankiray io, ary ho very ihany koa ny fanahiny. Manantena ny hahita fiovana ao amin’ny fiangonantsika isika. Miomana ny hiverina ny Tompon-trano, ka hiantso ireo mpitantana napetrany mba hampamoahina ny amin’ny talenta nankinina tamin’izy ireo. Hiantra ireo izay tsy manao na inona na inona anie Andriamanitra amin’izay fotoana izay! Ireo izay nampitombo tsara ny fahaizany sy ny fananany ho voninahitr’Andriamanitra, dia handre ny fiarahabana tongasoa manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky. - RH, 14 Mar. 1878.TF 132.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents