Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 6 - Mitory Toriteny Mivaingana

    Ny fanolorana izay ilain’ny olona masina sy izay ilaina ho fampandrosoana ny fanjakan’Andriamanitra dia fitoriana toriteny mivaingana, izay manaporofo fa tsy nandray foana ny fahasoavan'Andriamanitra ireo izay manome. Manan- kery lehibe eo amin’ny olona ny ohatra velon’ny toetra tsy misy fitiavan-tena, izay araka ny ohatra nomen’i Kristy. Ireo izay tsy miaina ho an’ny tenany, dia tsy hampiasa ny dôlarany tsirairay mba hanatanterahany ireo faniriany na hahazoany fiainana milamina, fa hihazona ao an-tsainy mandrakariva fa mpanara-dia an’i Kristy izy ireo, ary koa misy olona hafa mila sakafo sy fitafiana any ho any.TF 30.1

    Hanary ny famindrampon’Andriamanitra, ary hanary koa ny valim-pitian’ny lanitra ireo izay miaina mba hanome fahafaham-po ny hatendan-kanina sy ny faniriana feno fitiavan-tena. Porofoiny amin’izao tontolo izao fa tsy manana finoana tena marina izy. Koa rehefa miezaka hampita fahalalana momba ny fahamarinana ankehitriny amin’ny hafa izy, dia horaisin’izao tontolo izao ho toy ny varahina maneno na kipantsona mikarantsana fotsiny ihany ny teniny. Aoka ny tsirairay haneho ny finoany amin’ny alalan’ny asany. “Tsy vanona ny finoana tsy misy asa”, “maty mihitsy” - Jak. 2:20,17. “Koa amin’ izany asehoy aminy eo imason'ny fiangonana ny famantarana mahamarina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.” 2 Kôr. 8:24. — RH, 21 Aog. 1894.TF 30.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents