Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampamoahana noho ny amin’ny Tanjaka ara-Batana

    Hitako fa ireo izay tsy manana fananana, fa manana tanjaka ara-batana kosa, dia hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny amin’ny tanjany. Tokony ho mailaka eo amin’ny raharaha sy hafanam-po izy ireo; tsy tokony hamela ireo manam-bola hanao samirery ny sorona rehetra izy ireo. Hitako fa afaka manao sorona, ary adidin’izy ireo ny manao izany, tahaka ireo izay manana fananana ihany izy ireo. Matetika anefa no tsy tsapan’ireo izay tsy manana fananana fa afaka mandà ny tenany amin’ny fomba maro izy ireo. Azon’izy ireo atao ny mandany vola kely kokoa ho an’ny vatany sy ho an’ny hatendan-kaniny, ka hahita vola misimisy kokoa hatokana ho an’ny asan’Andriamanitra, dia hihary harena any an- danitra izy ireo. - 1T, t. 115.TF 134.1

    Ireo izay manana tanjaka ara-batana dia tokony hampiasa izany tanjaka izany eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tokony hampiasa ny tanany izy ireo, ka hahazo vola hampiasaina eo amin’ny asan’Andriamanitra. Ireo izay mahazo asa dia tokony hiasa amim- pahatokiana, sy hampitombo ny tombony fanararaotra hitany mba hanampiana ireo izay tsy mahita asa. - RH, 21 Aog. 1894.TF 134.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents