Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fahotana ny Fahazoana Harena

    Tsy manameloka ilay lehilahy mpanankarena noho izy manan-karena ny Baiboly; tsy manambara izany fa fahotana ny fahazoana harena, ary tsy milaza koa fa ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Ny mifanohitra amin’izany no zava-misy, satria manambara mazava ny Soratra Masina fa Andriamanitra no manome hery hahavory harena. Ary talenta sarobidy io fahafahana io raha toa ka hatokana ho an’Andriamanitra sy hampiasaina mba hampandrosoana ny asany. Tsy manameloka ny fahaizana na ny hakingana ny Baiboly; satria avy amin’ny fahendrena omen’Andriamanitra ireo. Tsy azontsika atao ny manadio na manamasina kokoa ny fontsika amin’ny fampitafiana ny vatana amin’ny lamba fisaonana, na amin’ny tsy fanomezana ny ankohonana ny zavatra rehetra izay mitarika ho amin’ny filaminana sy ny hatsarana ary ny fahamendrehana.TF 151.1

    Mampianatra ny Soratra Masina fa fananana mampidi- doza ny harena rehefa ampifaninanana amin’ny harena tsy mety levona. Rehefa misintona ny eritreritra sy ny fitiavana ary ny fanokanan-tena takin’Andriamanitra ny fananana mandalo eto an-tany vao lasa fandrika ho antsika. Ireo izay manakalo ny voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay amin-javatra manjelanjelatra sy mamirapiratra kely eto an- tany, na manakalo ny fonenana mandrakizay amin’ny trano izay ho azy mandritra ny taona vitsy monja raha be indrindra, dia manao safidy tsy misy fahendrena. Tahaka izany ny takalo nataon’i Esao, rehefa nivarotra ny fizokiany tamin’ny sakafo izy. Izany koa no nataon’i Balama rehefa nahafoy ny fankasitrahan’Andriamanitra mba hahazoana ny valisoa nomen’ny mpanjakan’i Midiana izy. Ary mbola izany koa no nataon’i Jodasy rehefa namadika ny Tompon’ny voninahitra tamin’ny sekely volafotsy telopolo izy.TF 151.2

    Ny fitiavam-bola no lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa fototry ny ratsy rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ho an’ny olona ny vola, mba hampiasaina amim- pahatokiana eo amin’ny fanompoana Azy. Nitahy an’i Abrahama Andriamanitra, ka nampanan-karena azy tamin’ny omby aman’ondry sy volafotsy ary volamena. Ary manambara miharihary ny Baiboly, ho porofon’ny fankasitrahan’Andriamanitra, fa nomen’Andriamanitra harena tena betsaka sy voninahitra be i Davida, Sôlômôna, Josafata ary i Hezekia.TF 152.1

    Tahaka ireo fanomezana hafa avy amin’Andriamanitra, ny fananana harena koa dia mitondra andraikitra fanampiny, sy fakam-panahy manokana. Firy tamin’ireo izay nitoetra ho mahatoky tamin’Andriamanitra fony izy ireo tao anatin’ny zava-tsarotra no lavo teo anatrehan’ny fisintonana manjelanjelatry ny fanambinana? Miseho miaraka amin’ny fananana harena ny firehetam-po manjaka eo amin’ny toetra feno fitiavan-tena. Voaozona izao tontolo izao ankehitriny noho ny fitiavam-bola ombam-pahihirana sy ny fampanaranam-po ny tena ataon’ireo mpivavaka amin’i Mamôna. - RH, 16 May 1882.TF 152.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents