Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Andraikitry ny Mpitandrina

    Aoka ny fiangonana hanendry mpitandrina na loholona izay manolo-tena tanteraka amin’ny Tompo Jesôsy, ary aoka ireo lehilahy ireo hanao izay hahazoana antoka fa misy mpandraharaha voafidy mba hiandraikitra amim- pahatokiana ny asa fanangonana ny ampahafolony. Raha toa ka asehon’ny mpitandrina fa tsy sahaza azy ny andraikiny, raha toa ka tsy vitany ny haneho eo anatrehan’ny fiangonana ny lanjan’ny famerenana amin’Andriamanitra ny anjarany, raha toa ka tsy ataony izay hahazoana antoka fa mahatoky ireo mpandraharaha eo ambany fiadidiany sy izay hahazoana antoka fa entina eo amin’Andriamanitra ny fahafolon- karena, dia tafiditra ao anatin’ny kizo izy ireo. Manamaivana zavatra izay hitondra fitahiana na ozona ho an’ny fiangonana izy ireo. Tokony hesorina aminy ny andraikiny, ary tokony hisy olon-kafa hosedraina sy hotsapaina ho solony.TF 117.1

    Tokony hataon’ireo mpitondra hafatry ny Tompo izay hahazoana antoka fa tontosain’ireo mpinon’ny fiangonana amim-pahatokiana ireo fitakiany. Milaza Andriamanitra fa tokony hasian-kanina ao amin’ny tranony, ary raha toa ka kitihina ny vola ao amin’ny firaketana, raha toa ka raisina ho tsy mampaninona ny fampiasan’ny olona ny ampahafolony araka izay sitrany, dia tsy afaka mitahy ny Tompo. Tsy hotohanany ireo izay mihevitra fa azon’izy ireo hanaovana izay sitrany ny zavatra izay Azy. - RH Supplement, 1 Des. 1896.TF 117.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents