Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hakanosana Tsy Azo Leferina

    Naseho teo anoloakony fanao feno an-tsirambina iainan’ny ankamaroan’ny fiangonana miditra amin’ny fitrosana, sy mikolokolo ny fitrosana. Amin’ny tranga sasantsasany dia tena lasa fahazarana eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra mihitsy ny trosa mitohy tsisy fitsaharana, izay miteraka fandoavana zana-bola mitohy koa. Tsy tokony hiseho ary tsy ilaina hiseho akory izany toe-javatra izany. Raha mba teo mantsy ilay firaisam-po sy fahendrena ary herim-po ho an’ny Tompo izay takin’Andriamanitra amin’ny mpanompony tsirairay, dia hiova tanteraka mihitsy ny toe-javatra. Ho afaka tanteraka ny trosa. Ny fandavan-tena sy ny fahafoizan-tena dia hahavita zava-mahagaga amin’ny fampandrosoana ny ara-panahin’ny fiangonana. Aoka samy hanao zavatra avokoa ny mambran’ny fiangonana rehetra. Aoka ny hasarobidin’ny fandraisana anjaran’ny tsirairay no hameno am-pahavitrihana ny fisainan’ny mpanompon’Andriamanitra.TF 287.1

    Ny sekoly sy ny fiangonana any dia tsy tokony hovesaran- trosa toy izao. Mampiharihary ny mpitantana tsy hendry izany. Miantso ny fahafoizan-tena Andriamanitra. Miantso ny hanolorana fanatitra avy amin’izay afaka manome izany Izy, eny fa na dia ny mambra mahantra indrindra aza dia afaka manolotra izay mba kely azony atolotra. Ary raha vao misy fotsiny ny faniriana hanao zavatra, dia hanokatra ny lalàna ho an’izany Andriamanitra. Saingy tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny fitantanana toy izany. Tsy drafitra avy Aminy mihitsy ny hahatonga ny asany hibaby trosa.TF 288.1

    Ny fandavan-tena no hahafahan’ireo izay mbola tsy nahavita na inona na inona tamin’ny lasa hanao zavatra azo tsapain-tanana, ka hanehoan’izy ireo fa izy dia mino ny fampianaran’ny Soratra Masina, sy ny fahamarinana natokana ho an’izao vanim-potoana izao. Ny rehetra, na antitra na tanora, ray aman-dreny sy zanaka, dia tsy maintsy maneho ny finoany amin’ny alalan’ny asa. Tanteraka amin’ny alalan’ny asa ny finoana. Efa eo amin’ny fiafaran’ny sehatra farany amin’ny tantaran’ny tany isika ankehitriny; nefa dia mbola vitsy ihany no mba mahatsapa izany satria izao tontolo izao dia efa nampisaraka ny olona tamin’Andriamanitra. — L 81, 1897.TF 288.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents