Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tandindomin-Doza ny Hoavy

    Ahoana moa no ahafahana mampitaha ny tombambidin’ny trano sy ny tany amin’ny tombambidin’ny fanahy sarobidy izay nanoloran’i Kristy ny ainy? Amin’ny alalan’ny fampiasana anao, ry anadahy sy rahavavy malala, dia mety ho voavonjy miaraka aminao ao amin’ilay fanjakana feno voninahitra ireo fanahy ireo; fa tsy afaka hitondra any na dia ny ampahany kely indrindra amin’ireo fanananao eto an-tany ianao. Angony izay azonao angonina, tahirizo tsara amin’ny fiahiana feno hasarotam-piaro azonao atao izany; kanefa mety hilatsaka avy any amin’ny Tompo ny baiko, ka ao anatin’ny ora vitsy dia hisy afo tsy hay vonoina mety hanimba ireo zavatra rehetra nangoninao nandritra ny fiainanao iray manontolo, ka hanova izany ho tonga fahavoazana manetroka lehibe. Azonao atao ny manokana ny talentanao rehetra sy ny herinao rehetra mba hihariana harena eto an-tany; fa inona anefa no soa azonao avy amin’izany rehefa tapitra ny ainao na rehefa miseho I Jesôsy? Arakaraka ny nanandratana anao teto tamin’ny alalan’ny voninahitra sy ny harena teto an-tany ka nanamaivananao ny fiainana ara-panahy, no hitotonganan’ny tombambidinao ara- môraly rehefa hiseho eo anatrehan’ny fitsaran’ilay Mpitsara lehibe ianao. “Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?”— Mar. 8:36.TF 232.1

    Hihatra amin’ireo izay nanompo an’i Mamôna fa tsy ny Mpamorona azy ny fahatezeran’Andriamanitra. Fa ireo izay velona ho an’Andriamanitra sy ny lanitra, ka nanoro ny hafa ny lalan’ny fahamarinana, dia hahita fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, izay mihamazava mandra- pitataovovonan’ny andro. Ary dia ho henon’izy ireo hatrany hatrany ilay tenim-panasana fiarahabana tongasoa manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.” — Mat. 25:21. Ny fifalian’ny Tompo dia ny mahita fanahy voavonjy ao amin’ny fanjakany be voninahitra; ary noho izany fifaliana izany, dia “naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra” Izy — Heb. 12:2. Tsy ho ela akory anefa, “noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po ” Isa. 53:11. Ho sambatra manao ahoana re ireo izay havela hizara ny hafaliany, dia ireo izay nandray anjara tamin’ny asany e! - RH, 23 Jona 1885.TF 232.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents