Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 15 — Ny Valim-Pitian’ny Fitantanana Mahatoky

    Toko 65 - Ny Toeran’ny Valisoa Amin’ny Maha-antony Manosika Eo Amin’ny Fanompoana

    Imbetsaka no nilazan’ny Mpamonjy fa: “maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.” Mat. 19:30. Maniry i Jesôsy mba tsy ho fatra-pikatsaka valisoa sy tsy hahatsapa fa tsy maintsy mandray ny valin-kasasarana ny amin’izay soa rehetra nataony ireo izay manolo-tena hirotsaka eo amin’ny asa fanompoana Azy. Tian’Andriamanitra hifantoka amin’ny zavatra tena hafa mihitsy ny saintsika; Satria tsy mitovy amin’ny fijerin’olombelona ny fijerin’Andriamanitra. Tsy mitsara araka ny endrika ivelany izy, fa mandinika ny olombelona araka ny fahitsian’ny fony.TF 374.1

    Ireo izay nametraka ny fanahin’ny fanoloran-tena sy ny fanetren-tena marina teo amin’ny fiainam-panompoany no ho isan’ireo hijoro eo amin’ny laharana voalohany rehefa tonga ny farany. Ireo mpiasa izay nampiasaina tamin’ny ora voalohany dia maneho ireo izay manana ny toe-tsain’ny fitsiriritana sy ny fanamarinan-tena, ka milaza fa mendrika hiangarana noho ny ny hafa izy ireo noho ny asa fanompoana nataony. Fa ny tompon-trano niteny tamin’ilay anankiray izay nametra-panontaniana momba ny zony hanome karama betsaka kokoa ho an’ny hafa raha mitaha amin’ny azony hoe: “Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?” — Mat. 20:13. Nitazona ny anjarako tamin’ny fifanarahana aho.TF 374.2

    Amin’ny lafiny iray dia tokony haneho fanajana amin’ny valisoa sy tambin-karama atolotra antsika isika rehetra. Fa raha eo am-piandrasana ny teny fikasana momba ny fitahiana isika, dia tokony hanana fatokiana feno an’i Jesôsy Kristy, mino fa manatanteraka ny marina Izy, ary manolotra ho antsika valim-pitia arakaraka ny asa vitantsika. Ny fanomezana avy amin’Andriamanitra dia fiainana mandrakizay, saingy tsy tian’i Kristy ny hahatonga antsika hitebiteby fatratra momba ny resaka valisoa, toy ny hahafahantsika manao ny sitrapon’Andriamanitra satria mendrika hotanterahina ary tsy ankinina amin’izay mety ho tombontsoa ho azo izany.TF 375.1

    Notehirizin’i Paoly tao an-tsainy mandrakariva ny satroboninahitry ny fiainana izay hatolotra ho azy, nefa tsy ho azy ihany fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoan’i Jesôsy koa. Ny fandresena noraisina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesôsy Kristy no mahatonga ny satroboninahitra hanintona kokoa. Nanandratra an’i Kristy mandrakariva izy. Tsy nanana ny anjara toerany ny fireharehana noho ny talenta na noho ny fandresena azon’ny tena manokana. “Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; Fa izany no sitrako, hoy Jehovah.” — Jer. 9:22,23.TF 375.2

    Ireo izay handray ny valisoa betsaka indrindra dia ireo izay nampikambana ny asa nataony sy ny herim-pony tamin’ny fahatsarana sy ny fangoraham-po feno fahalemem- panahy ho an’ny mahantra, ny kamboty, ny ampahoriana ary ny mijaly. Fa ireo izay mizotra amin’ny lalana hafa noho izany kosa, dia izay seriny loatra ka tsy manam-potoana hifantohana amin’ireo izay novidina tamin’ny alalan’ny rà sarobidy nalatsak’i Kristy, sady repotry ny fanatanterahana asa goavana fotsiny, dia hahita fa izy no madinika indrindra amin’ny farany.TF 376.1

    Araka izay toetry ny fony marina no anaovan’ny olombelona zavatra. Misy amintsika ireo izay malemy fanahy sy tsy miavona am-po tahaka an’i Kristy, dia ireo izay manao zavatra kely be dia be mba hanampiana ireo manodidina azy, ka tsy nihevitra izany ho asa goavana akory; ho gaga izy ireo any am-parany any rehefa mahita fa voamarik’i Kristy avokoa ireo teny feno fahalemem- panahy nolazaina tamin’ireo kivy, ary noraiketiny an-tsoratra avokoa hatramin’ireo fanomezana bitika indrindra natolotra hanamaivanana ireo mahantra, izay nitaky fandavan-tena ihany avy tamin’ilay mpanome. Refesin’ny Tompo ny toe- tsaina, ary valiany soa mifanaraka amin’izany, ka ilay toetry ny fitiavana madio sy feno fanetren-tena ary toy ny an’ny zaza no mahatonga ny fanatitra ho sarobidy eo imasony. - RH, 3 Jol. 1894.TF 376.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents