Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Natao Hampihena ny Falalahan-Tanana ny Trosa Manokana

    Misy olona izay tsy vonona sy tsy maneho firaisana amin’ny drafitra hanatanterahana asa fanasoavana mitohy, manala tsiny ny tenany izy ireo satria mbola tsy afa-trosa. Miangavy izy ireo fa ny tokony hataony voalohany dia ny handoa ny trosany araka ilay teny hoe “Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza” — Rôm. 13:8. Kanefa ny maha-ananan- trosa azy dia tsy manala tsiny azy akory Hitako fa tokony hatolotr’izy ireo an’i Kaisara izay tokony ho an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay tokony ho an’Andriamanitra. Ny sasany anefa dia tena miezaka hahatakatra ny dikan’izany hoe “Aza avela hisy tsy voaloa na amin'iza na amin'iza” ka mieritreritra fa Andriamanitra dia tsy mitaky na inona na inona avy amin’izy ireo mandra-pandoany ny trosany rehetra. Mamita-tena anefa izy ireo amin’izany. Tsy vitan’izy ireo ny namerina tamin’Andriamanitra izay tokony ho an’Andriamanitra. Ny tsirairay avy dia tokony hitondra fanatitra ankasitrahana ho an’Andriamanitra. Ka ireo izay ananan-trosa dia tokony hamaritra ny tontalin’ny trosa tokony haloany avy amin’ny fananany ary hanolotra ampahany ho an’Andriamanitra amin’izay sisa tavela. - 1T 220.TF 280.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents