Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mila Torohevitra sy Fiaraha-Miasa

    Ranadahy malala: Amin’ny fanapahan-kevitra sy ny hetsika rehetra ataonao dia tokony ho azonao antoka fa tsy izay heverinao fa mety sy izay mifanaraka amin’ny sainao fotsiny no ataonao, fa avy amin’ny fifanarahan-tsaina araka ny torohevitr’ireo rahalahinao. Ny fiheverana fa azo atao ny miasa samirery tsy miankina amin’ny hafa no tsy mampahomby anao (...) Azonao atao ny mindram-bola. Kanefa ve mba efa nandray ny torohevitry ny rahalahinao ianao teo am-pamolavolana ny tetikasam-panorenana ataonao? Mba efa niray zioga tamin’izy ireo ve ianao ary izy ireo koa ve mba efa niray zioga taminao? (...) Ny volavolan- kevitra sy ny fanapahan-kevitr’olon-tokana dia tsy azo ekena hampiharina mihitsy na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana raha vao resaka fanorenana fiangonana no asian-teny. Ny mambra rehetra no tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny ny fanatanterahana izany, fa tsy ny mpitandrina ihany no ametrahana samirery ny asa (...) Lesona tsy maintsy ianaranao ny hikatsaka tsilon-tsaina sy hevitra avy amin’ny rahalahinao, ka tsy handroso mihitsy raha tsy eo ny torohevitra sy ny torolalana ary ny fiaraha- miasa avy amin’izy ireo. — L 49, 1900.TF 286.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents