Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Zo amin’ny Fananana any an-Danitra

    Ho avy ny andro, “harian'ny olona ho an’ny voalavo sy ny manavy ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany izay nataony hiankohofany eo anatrehany, mba hidirany eo amin’ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.” — Isa. 2:20,21. Tsy hahavita na inona na inona ny haren’izao tontolo izao amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra; fa ny finoana sy ny fankatoavana kosa dia hitondra fandresena.TF 246.2

    Tokony hasehontsika ny finoana rehetra ananantsika. Tsy maintsy manazatra ny tenantsika hiresaka finoana isika, satria tsy maintsy manomana ny fiainana ho avy. Ezaka matotra manao ahoana re no ataon’ny olona mba hahazoana zo ara-dalàna amin’ny taniny e! Tsy maintsy manana ny antontan-taratasy izay hahajoro eo anatrehan’ny fitsapan’ny lalàna izy. Tsy afa-po mihitsy ilay tompon- tany raha tsy efa azony antoka fa tsy misy hokianina eo amin’ny taratasy fanamarinana ny zony. Raha mba dodona ny hahazo ny fanamarinana ny zony amin’ny fananany any an-danitra mantsy ny olona, dia fanamarinana ny zony izay hahajoro eo anoloan’ny fitsapan’ny lalàna! Ny apôstôly Petera dia mampiriska ny mpanara-dia an’i Kristy mba hazoto hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana azy. Tsy tokony hisy fahadisoana na zavatra hokianina eo amin’ny fitakianareo ny tsy fahafatesana. Hoy ny Mpamonjy: “Sambatra izay manasa ny akanjony mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. ” - Apôk. 22:14. ” - RH, 30 Apr. 1889.TF 246.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents