Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manodinkodina ny Vola Natokana Hamitana ny Iraka

    Amin’ny toe-javatra maro, dia nahodina ho amin’ny lalana hafa ny vola tokony natokana ho amin’ny asa fitoriana, noho ny hevi-diso momba ny fanaovan-tsoa. Mety manao fahadisoana isika amin’ny fanolorana fanomezana ho an’ny malahelo, fanomezana izay tsy mitondra fitahiana ho azy akory, satria mety hitarika azy hieritreritra izany fa tsy mila miasa na mihafy izy ireo, satria tsy hamela azy ireo hijaly ny hafa. Tsy tokony homentsika vahana mihitsy ny hakamoana, ary tsy tokony ampirishina ny fahazarana mampionona ny tenany amin’izany amin’ny fanomezana vola ho fiantrana azy. Raha toa ka marina fa tsy azo atao tsirambina ireo tena malahelo, dia tokony ampianarina amin’ny fomba rehetra azo atao izy ireo mba hahay hamelona ny tenany.TF 183.3

    Ny famonjem-panahy no mibahan-toerana lehibe indrindra eo amin’ny asantsika. Noho io no nanaovan’i Kristy ilay sorona lehibe, ary io no mitaky manokana ny hanaovantsika asa fiantrana. — HSFM SDA, t. 293.TF 184.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents