Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahatokiana eo amin’ny Asa aman-dRaharaha

    Raha toetra tsy mahatokitoky no ifandraisantsika amin’ny mpiara-belona amintsika, na famitahana sahisahy kokoa noho izany, dia ho toy izany koa no hataontsika Amin’Andriamanitra. Ny olona izay mikiry hanaraka ny toetra tsy mahatoky dia hitohy hanana izany foto-keviny izany mandra-pamitahany ny fanahin’ny tenany ihany, ka hanariany ny lanitra sy ny fiainana mandrakizay. Hataony sorona ny voninahitra sy ny fivavahana mba hahazoany tombontsoa kely dia kely eto amin’izao tontolo izao. Misy olona tahaka izany mihitsy eo amin’ny laharana misy antsika, ka tsy maintsy hanandrana izany hoe nateraka indray izany izy ireo, raha tsy izany dia tsy hahita ny fanjakan’Andriamanitra. Tokony hanamarika ny fihetsika tsirairay eo amin’ny fiainantsika ny fahitsiana. Mandinika fatratra ny asa apetraka eo am-pelatanantsika ireo anjelin’ny lanitra; ary eo amin’izay nahitana fihatahana tamin’ny foto-kevitry ny fahamarinana, dia nosoratana tao amin’ny firaketana ny teny hoe: “latsa- danja”.TF 155.2

    Hoy i Jesôsy: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” — Mat. 6:19. Ny harena dia ireo zavatra izay misarika ny saina sy misintona ny fifantohana, mba hampihatahana an’Andriamanitra sy ny fahamarinana.TF 156.1

    Ny fitiavam-bola, izay manosika ny fanangonan-karena eto an-tany, no firehetam-po nanjaka nandritra ny andron’ny Jiosy. Nampileferina teo ambanin’ny ezaka ho fanangonana harena sy voninahitra teto an-tany ny fiheverana ireo zavatra ambony sy maharitra mandrakizay. Naka an-keriny ny toeran’Andriamanitra sy ny toeran’ny fivavahana tao amin’ny fanahy ny toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra. Nampihatra hery miasa mangina mitaona sy mandangolango tahaka izany teo amin’ny fiainana ny fitiavan-karena feno fahihirana, hany ka nitarika ho amin’ny fanimbana ny fahamendrehana sy ny maha-olona ny olona izany, mandra- pilentik’izy ireo lalina tao anatin’ny fahaverezana. Nanome fampitandremana hentitra manoloana ny fihariana ny haren’ny tany ny Mpamonjintsika.TF 156.2

    Arahin’ Andriamanitra maso avokoa ny sampam- pandraharahana rehetra sy ny sehatr’asa rehetra; satria nomena fahafahana hanao zavatra eo amin’ny asan’ny Mpampianatra avokoa ny Kristianina rehetra. Na ampiasaina eo amin’ny asa any an-tsaha na ao amin’ny mangazay na eo amin’ny fikirakirana firaketana kaonty ny olona, dia tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny fampiasana hendry sy mahatoky ny talentany. Hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra ny amin’ny asany izy ireo, dia tahaka ny hampamoahana ny mpitandrina izay miasa amin’ny teny sy ny fampianarana ny amin’ny asany. Raha mahazo fananana amin’ny fomba tsy ankasitrahan’ny Tenin’Andriamanitra ny olona, dia hahazo izany amin’ny fanaovana sorona ireo foto-kevitry ny fahatokiana izy ireo. Ny faniriana diso tafahoatra ny hahazo tombontsoa dia hitarika na dia ireo izay milaza azy ho mpanara-dia an’i Kristy ho amin’ny fanahafana ny fanaon’izao tontolo izao. Ho voatarika hanala baraka ny fivavahany izy ireo, amin’ny alalan’ny fampivelarana mihoapapana ny raharaham-barotra ataony sy ny fampahoriana ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny vahiny. - RH, 18 Sept 1888.TF 156.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents