Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanandramana Mampidi-Doza

    Naseho tamiko fa fanandramana mampidi-doza ho an’ny vahoakantsika ny miditra amin’ny fiantoham-barotra hakana tombony mihoapampana. Mametraka ny tenany eo amin’ny tanin’ny fahavalo izy amin’izany, ka mampiharihary ny tenany amin’ny fakam-panahy lehibe, sy amin’ny fahadisoam- panantenana, amin’ny fisedrana, ary amin’ny fatiantoka. Rehefa izay dia tonga ny savorovoro tsy mampilamin-tsaina, faniriana lalina ny hahazo vola haingana kokoa noho izay azon’ny toe-javatra ankehitriny atao. Miova araka izany ireo manodidina azy, ao anatin’ny fanantenana ny hahazo vola betsaka kokoa. Matetika anefa no tsy tanteraka ny zavatra nantenainy, ka lasa kivy sy mihemotra izy ireo fa tsy mandroso. Izany no zava-misy tamin’ny olona sasany tany . Miodina amin’Andriamanitra izy ireo.TF 258.1

    Raha nanambina ny sasany tamin’ireo anadahy malalantsika teo amin’ny fiantoham-barotra nataony ny Tompo, dia ho fahavoazana mandrakizay ho azy ireo izany. Tia ny vahoakany Andriamanitra; ary tiany ireo izay malahelo tsy mba nanana tombontsoa. Raha hianatra ny lesona nokendreny hampianarina azy izy ireo, amin’ny farany dia ho lasa fandresena sarobidy ny fahareseny. Nampihataka ny fitiavana an’i Kristy ny fitiavana izao tontolo izao. Rehefa esorina tsy ho eo amin’ny varavaran’ny fo ny fakofako rehetra, ka sokafana midanadana ho setrin’ny fanasan’i Kristy, dia hiditra ao Izy, ka haka ilay tempolin’ny fanahy. -4T, tt. 616-618.TF 258.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents