Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 46 - Ny Fakam-Panahy Amin’ny Fiantoham-Barotra Hakana Tombony Mihoapampana

    Nanimba fanahy maro i Satana tamin’ny nitarihany ka nametrahany azy ireo teo amin’ny lalan’ny fakam-panahy. Tonga eo amin’izy ireo tahaka ny nahatongavany teo amin’i Kristy izy, maka fanahy azy ireo mba hitia izao tontolo izao. Lazainy amin’izy ireo fa afaka mampiasa vola eo amin’ny fandraharahana izato na izaroa izy ireo ka hahazo tombony, ary dia manaraka ny baikony amim-pahatsorana izy ireo.TF 257.1

    Tsy ho ela izy ireo dia halaim-panahy hiala amin’ny fahitsiany mba hahafahany manao adivarotra tsara araka izay azony atao. Mety ho tena ara-dalàna ny zavatra ataony, araka ny fenitry ny fahamarinana eo amin’izao tontolo izao, saingy tsy mahazo ny fankasitrahan’ny lalàn’Andriamanitra. Mampiahiahy ireo rahalahiny ny antony manosika azy, ary ahiana ny hangoron-karena ho an’ny tombontsoan’ny tenany ihany izy. Noho izany dia atao sorona ilay hery miasa mangina sarobidy izay tokony ho narovana tahaka ny anakandriamaso ho amin’ny tombontsoan’ny asan’Andriamanitra. Ny fandraharahana izay mety ho fahombiazana ara-bola eo am-pelatanan’ny mpisoloky, izay hivarotra ny fahitsiany ka hanakalo izany amin’ny tombontsoa eto amin’izao tontolo izao, dia tena tsy sahaza ny mpanara-dia an’i Kristy.TF 257.2

    Ny fiantoham-barotra hakana tombony mihoapampana rehetra tahaka izany dia arahin’ny fisedrana sy fahasarotana tsy hita maso, ary fitsapana mampahatahotra ho an’ireo miditra ao anatin’izany. Matetika dia misy toe-javatra mitranga izay mahatonga ny olona hanana eritreritra hafahafa momba ny antony manosika ireo anadahy ireo; saingy na dia toa tena ratsy manao ahoana aza ny zavatra sasany, dia tsy tokony horaisina ho toy ny fitsapana marina ny toetra izany. Na izany aza, matetika izy ireny no hita fa kihon-dalana eo amin’ny fanandramana sy ny hoavin’ny olona iray. Lasa voaovan’ny toe-javatra nametrahan’ny olona iray ny tenany ny toetrany.TF 257.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents