Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 4 - Ireo Foto-Kevitra Mifanohitra Ep Amin'i Kristy Sy I Satana

    Ao anatin'ny fianakaviambe iray ny olombelona: ny fianakavian'Andriamanitra. Nokendren'Andriamanitra hifanaja sy hifankatia izy ireo, ka hifaneho fahalianana madio sy tsy misy fitiavan-tena amin'izay mahasoa ny andaniny sy ny ankilany. Ny tanjon'i Satana anefa dia ny hitarika ny olona ho amin’ny tenany aloha; ary nilefitra teo ambanin'ny fifehezany ireo ka nikolokolo fitiavan-tena izay nameno fahoriana sy fifandirana izao tontolo izao, ka nampifanolana ny samy olombelona.TF 24.1

    Ny fitiavan-tena no fototry ny fitondran-tena maloto rehetra, ary satria nilefitra teo amin'ny heriny ny olombelona, dia hita eto amin'izao tontolo izao ankehitriny ny mifanohitra amin’ny fiandaniana amim-pahatokiana amin'Andriamanitra. Feno faniriana hametraka ny izaho ho ivo ny firenena sy ny fianakaviana ary ny olona maro. Maniry fatratra ny hanjaka eo amin'ny mpiara-belona aminy ny olona. Mampisaraka ny tenany amin'Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy noho ny fizahozahoany izy, ka manaraka fironana tsy voafehy. Mihevitra izy ireo fa ny mahasoa ny hafa dia miankina amin’ny fileferany amin’ny fahambonian’izy ireo.TF 24.2

    Nitondra fifandirana tao am-piangonana ny fitiavan- tena, ka nameno izany tamin’ny firehetam-po tsy marina (...). Manimba ny fitoviana amin'i Kristy ny fitiavan-tena, ka mameno ny fon’ny olona amin’ny fitiavana ny tenany manokana. Mitarika ho amin’ny fialana tsy an-kiato amin’ny fahamarinana izany. Hoy i Kristy: “Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fabatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Mat. 5:48. Tsy mahita ny fahatanterahana izay takin’ Andriamanitra anefa ny fitiavana ny tena manokana (...).TF 24.3

    Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy mba haneho ny fitiavan'Andriamanitra. Natao hanohy ny asa izay natombony ireo mpanara-dia Azy. Andao isika hiezaka ny hifanampy sy hifampahery. Ny fitadiavana izay mahasoa ny hafa no fomba hahafahana mahita ny tena hasambarana marina. Tsy miasa mba hanohitra ny tombontsoany manokana ny olona rehefa tia an'Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.TF 25.1

    Arakaraka ny hananany toe-tsaina tsy tia tena no hahafaly azy kokoa, satria manatanteraka ny fikasan'Andriamanitra ho azy izy. Notsofina taminy ny fofonaina avy amin'Andriamanitra, ka nameno fifaliana tao anatiny. Ho azy dia zavatra masina nankinina taminy ny fiainana, sarobidy eo imasony satria nomen'Andriamanitra mba holaniana amin'ny fiasana ho an'ny hafa. - RH, 25 Jona 1908.TF 25.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents