Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanorenana ny Fiangonana sy ny Sekoly any Avondale

    Misy fotoana izay hahafahana mandray tombontsoa betsaka noho ny firaisam-po sy ny ezaka ombam-paharetana. Efa voatendry ny fotoana hanokafana ny sekolintsika; saingy ireo anadahy avy amin’ny firenena hafa dia nihevitra ny hanemotra izany. Efa ela no niandrasan’izy ireo ny fisokafan’ny sekoly, ary efa kivy izy ireo. Mbola betsaka ny asa tokony hotanterahina amin’ny fanorenana, nefa efa ritra tanteraka ny vola. Vokatr’izany dia nilaza ireo mpanorina ny trano fa tsy ho vita amin’ny fotoana nifanomezana ny asa. Saingy izahay kosa dia nilaza fa tokony hatao tsy misy hatak’andro ny izany. Ary tsy maintsy misokatra amin’ny fotoana efa notendrena ny sekoly. Koa dia nentinay teo anoloan’ny fiangonana ny resaka, ary niantso olona tsara sitrapo izahay. Lehilahy sy vehivavy telopolo no nanolo-tena ho amin’ny asa; ary na dia sarotra tamin’izy ireo aza ny nahita fotoana, dia nanohy ny asa isan’andro isan’andro ihany ireo vondrona matanjaka ireo mandra-pahavita sy nahavoadio ary nahafahana nampitao tanteraka ny fanorenana, izay efa vonona sahady ary azo ampiasaina amin’ny andro voatendry hisokafan’ny sekoly.TF 288.3

    Rehefa tonga ny fotoana hanorenana ny trano fiangonana, dia niseho indray ny fitsapana ny fahatokiana sy ny fahitsiana. Nisy fivoriana nataonay mba hamaritana izay zavatra tokony hatao. Toa feno sakantsakana ny làlan- kizorana. Nisy nilaza hoe: “Ataovy kelikely fotsiny aloha dia halehibeazina avy eo rehefa misy ny vola; satria mbola tsy ho tratrantsika amin’izao fotona izao mihitsy ny hanangana trano araka ny fieritreretantsika azy.” Ny sasany indray nilaza hoe, “Aleo aloha miandry mandra-pahatonga ny fotoana hananantsika ny vola rehetra ilaina hahafahana manorina ny trano araka ny tena tokony ho izy.” Izany no eritreritray; nefa kosa tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nony alina nanao hoe, “Mitsangàna ary atombohy tsy misy hatak’andro ny fanorenana.”TF 289.1

    Nanapa-kevitra ary izahay fa hotanterahina avy hatrany ny asa, ka dia nandroso amim-pinoana nanomboka nanao ny fototra. Ny alina manaraka ihany dia indro naharay taratasim-bola mitontaly roanjato “livres sterling” avy any Afrika Atsimo izahay. Fanomezana avy amin’ny anadahy sy ny rahavavy Lindsay, ao Cape Town izany, ho fanampian’izy ireo anay hanorina ny trano fiangonana, nanapa-kevitra izahay fa hatomboka ny asa, ary ankehitriny ny Tompo dia nametraka teo am-pelatananay izany fanomezana lehibe izany izay hahafahana manomboka avy hatrany.TF 290.1

    Nanomboka tamim-pahamatorana fatratra ny asa noho izany fampirishana izany. Natolotry ny kômitin’ny sekoly ny tany ary nanome zato “livres sterling” koa izy ireo. Nandray roanjato “livres sterling” avy amin’ny fivondronam-ben’ny federasiona koa izahay, ary ny mambra tetsy andaniny dia samy nanolotra araka izay azony atao. Eny fa na dia ireo namana avy any ivelan’ny fiangonana aza dia nanampy, ny mpanorina kosa dia nanolotra ny ampahan’ny fotoany izay nankasitrahana kokoa noho ny vola.TF 290.2

    Toy izany no nahafahana namita ny asa ka nananana izao fiangonana tsara tarehy hahafahana mandray olona efajato izao. Misaotra an’Andriamanitra izahay noho izany trano izany izay hahazoana manome voninahitra Azy. Fantany ny fahateren’ny toerana izay nitondrany anay. Rehefa nitranga ny olana, ny anadahy Haskell izay nitarika ny asa fanorenana dia niantso ny mpiasa rehetra; ary dia nivavaka tamin-kafanampo ny mba hirotsahan’ny fitahian’Andriamanitra amin’izy ireo sy ny asa hotanterahina izahay. Nohenoin’Andriamanitra ny vavaka nasandratray ka fito herinandro monja dia vita tanteraka ny asa. - RH, 1 Nôv. 1898.TF 290.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents