Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 7 — Ny Haren’ny Jentilisa

    Toko 36 - Fanomezana Sady Raisina No Zaraina

    Raha mbola eto amin’ity izao tontolo izao ity isika, ka mbola miasa eo amin’izao tontolo izao ny Fanahin’Andriamanitra, dia tsy maintsy mandray no sady mizara fitahiana isika. Tsy maintsy zaraintsika amin’izao tontolo izao ilay fahazavan’ny fahamarinana araka izay voalaza ao amin’ny Soratra Masina, ary tsy maintsy raisintsika avy amin’izao tontolo izao izay zavatra nanetsehan’Andriamanitra ny fony mba hataony ho an’ny asany. Mbola manetsika hatrany ny fon’ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka ho amin’ny mahasoa ny olony ny Tompo, ka anjaran’ireo izay tena liana fatratra amin’ny olana momba ny fahalalahana ara-pivavahana ny tsy hampitsahatra ireo fanomezana ireo, sy tsy handà ny fanampiana izay nampirishan’Andriamanitra ny olona mba hatolony, ho fampandrosoana ny asany.TF 199.1

    Mahita ohatra momba io resaka io mihitsy isika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanao fanambarana iray nanerana ny fanjakany rehetra i Kirosy, mpanjakan’i Persia, ka nampanoratra izany, nanao hoe: “Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Andriamanitra anie homba azy, fa aoka hiakatra any Jerosalema izay any Joda izy ka hanao ny tranon’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely” — Ezra 1:2,3. Nisy didy faharoa koa navoakan’i Dariosy ho fanamboarana ny tranon'i Jehôvah; voarakitra ao amin’ny toko fahenina amin’ny bokin’i Ezra izany didy izany. TF 199.2

    Napetraky ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely teo am-pelatanan’ny tsy mpino ny fananany, saingy natao hampiasaina ho amin’ny fanaovana ny asa tsy maintsy hatao ho an’ny tontolo lavo izany. Afaka manokatra lalana izay hivelaran’ny fahamarinana ireo fitaovana izay iavian’ireo fanomezana ireo. Mety tsy hanana fo mitempo ho amin’ny asa izy, tsy manam-pinoana an’i Kristy, tsy mampihatra ny Teniny; saingy tsy tokony holavina noho izany antony izany ny fanomezana ataony (...)TF 200.1

    Naseho ahy imbetsaka fa afaka mandray fanomezana betsaka noho ny azontsika amin’ny fomba maro samihafa isika raha toa ka manatona ny hafa amim-pahendrena, mampahafantatra azy ireo ny asantsika, ary manome azy ireo tombony fanararaotra handray anjara amin’ny fanaovana ireo zavatra izay tombontsoa ho antsika ny manosika azy ireo hanao izany, ho fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. — TM, tt. 202, 203.TF 200.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents