Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fanoheran'i Paoly ny Fitiavan-Tena

    Niezaka nanongotra ny fakan’ny fitiavan-tena avy tao am- pon'ireo rahalahiny i Paoly; satria tsy afaka ny ho tanteraka ao amin'i Kristy ny toetra mbola fikirina mafy ny fitiavan-tena sy ny fieremana. Ny fitiavan'i Kristy mitoetra ao am-pony dia hitarika azy ireo hanampy ireo rahalahiny eo amin’ny zavatra ilain'izy ireo. Tamin’ny alalan'ny fanondroana azy ireo ny sorona nataon'i Kristy ho azy ireo no niezahany nanainga ny fitiavan'ireo rahalahiny ireo.TF 16.3

    “Tsy milaza izany ho didy aho”, hoy izy, “fa noho ny zotom- pon'ny sasany mba hizaha toetra ny hamarinan'ny fitiavanareo koa. Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan- karena aza Izy, dia tonga malahelo noho try aminareo, mba hampanan- karena anareo ny alahelony. “—2 Kôr. 8:8,9.TF 17.1

    Io no tsangan-kevitra mahery vaika avy amin'io apôstôly io. Tsy didy avy amin'i Paoly io, fa avy amin'ny Tompo Jesôsy Kristy. (...)TF 17.2

    Lehibe manao ahoana re ny fanomezana natolotr'Andriamanitra ny olombelona, ary manao ahoana ilay Andriamanitsika izay nanao izany! Tamim-pahafoizana izay tsy ho azo hihoarana velively no nanomezany, mba hahafahany mamonjy ny zanak'olombelona mpikomy sy hitarika azy ireo hahita ny tanjony sy hahalala ny fitiavany. Tianao ve ny haneho amin’ny alalan'ny fanomezana sy ny fanatitra fa ataonao fa tsy misy zavatra tsara loatra ka tsy tokony hatolotra Azy izay nanome ny Zananilahy tokana? - RH, 15 May 1900.TF 17.3

    Ny toe-tsain'ny fahalalahan-tanana no toe-tsain'ny lanitra. Ny toe-tsain'ny fitiavan-tena no toe-tsain'i Satana. - RH, 17 Okt. 1882.TF 17.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents