Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandray Fanomezana avy any Ivelany

    Manontany ianareo raha toa ka mety ny mandray ny fanomezana avy amin’ny jentilisa na tsia. Tsy mahagaga loatra izany fanontaniana izany; saingy te hanontany aminareo aho hoe: iza no tompon’izao tontolo misy antsika izao? Iza no tena tompon’ny trano sy ny tany eto? Tsy Andriamanitra va? Manana fananana be dia be Izy eto amin’ity izao tontolo izao ity, izay napetrany teo am-pelatanan’ny olona; ary amin’ny alalan’izany no tokony hanomezana sakafo ny noana, sy fitafiana ho an’ny mitanjaka, ary trano ho an’ny tsy manan-kialofana. Hanohina ireo olon’izao tontolo izao ny Tompo, eny fa na dia ireo mpanompo sampy aza, mba hanome avy amin'ny haben'ny fananany mba ho fanohanana ny asa, raha manatona azy ireo amim-pahendrena isika, sy manome azy ireo tombony fanararaotra handray anjara amin’ny fanaovana ireo zavatra izay tombontsoa ho azy ireo ny hanao izany. Ary tokony ho tombontsoa ho antsika ny mandray izay hatolony.TF 201.2

    Tokony hifandray amin’ireo olona manana toerana ambony isika, ary raha mampihatra ny fahendren’ny menarana sy ny fahamoram-panahin’ny voromailala isika, dia hahazo tombontsoa avy amin’izy ireo, satria hanohina ny sainy Andriamanitra mba hanao zavatra maro ho an’ny olony. Raha nasehon’ny olona sahaza sy tamin’ny fomba mazava teo anatrehan’ireo olona manana vola sy fahefana ny zavatra ilain’ny asan’Andriamanitra, dia mety ho nanao zavatra betsaka ireo olona ireo mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra eto amin’ity tontolontsika ity. Nataontsika ankilabao ireo tombontsoa izay mety ho nohararaotintsika satria nifidy ny hihataka amin’izao tontolo izao isika. Tsy ilaintsika anefa ny manao sorona na dia ny foto-kevitra iray ihany amin’ny fahamarinana aza raha mananaraotra ny tombontsoa tsirairay izay miseho mba hampandrosoana ny asan’Andriamanitra isika.— TM, tt. 197, 198.TF 202.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents