Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 49 - Miantso Latsa Ho Amin’ny Asan’andriamanitra

    Ny fivavahana arahinao dia manome andraikitra anao mba hampiasa araka ny tokony ho izy ny fotoanao mandritra ny enina andro fiasana toy ny fandehanana any am-piangonana rehefa Sabata. Tsy dia mazoto loatra ianao amin’ny lafiny asa. Avelanao hisosa tsy nahavitana na inona na inona akory ny ora sy ny andro ary herinandro. Ny fanehoana fanavaozana hita miharihary eo amin’ny fiainanao, sy ny hanolotra izay ilain’ny fianakavianao no toriteny tsara indrindra azonao torina amin’izao tontolo izao. Izao no lazain’ny apôstôly: “Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino.” - 1 Tim. 5:8.TF 274.1

    Mitondra latsa ho an’ny asan’Andriamanitra ny fipetrahanao amin’ny toerana iray hanomezanao vahana ny hakamoana mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ka rehefa avy eo dia voatery hihazakazaka hitrosa mba hahafahana mamelona ny ankohonana. Tsy mbola naneho fahatokiana tamin’ny fandoavanao trosa mihitsy anefa ianao tamin’izany fa mandositra sy mifindrafindra trano lava. Famitahana sy fisolokiana amin’ny mpiara-monina aminao izany ataonao izany. Manan-jo hiandrandra amin’ny fomba hentitra ny fahitsian’ireo izay milaza azy ho Kristianina izao tontolo izao. Vokatry ny tsirambina ataon’ny olona iray amin’ny tsy fandoavany ny trosa nalainy tamin’olona dia mety ny vahoakantsika manontolo mihitsy no hahazo loza amin’ny fiheveran’ny olona azy ho tsy azo itokiana intsony.TF 274.2

    “Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalàna sy mpaminany.” — Mat. 7:12. Sady natao ho an’ireo izay olon-tsotra mpanao asantanana izany no natao ho an’ireo izay mpanan-karena manana fanomezana hatolotra koa. Nomen’Andriamanitra hery sy fahafaha-manao isika, saingy tsy nampiasaintsika akory izany. Ny herinao anefa dia ampy hahafahanao manohana ny fianakavianao. Mifohaza maraina na dia mbola mibaliaka aza ny kintana raha izany no ilaina. Ataovy ny drafitra hanaovanao zavatra, ary rehefa izany dia tanteraho izay nokasainao hatao. Tanteraho ny fanekena natao raha mbola tsy manakana anao ho amin’izany ny aretina. Tsara kokoa ny handavanao ny anjara sakafo sy ny torimasonao noho ny fahatsapana meloka noho ny tsy nahatontosana ny andraikitra izay tokony hataonao ho an’ireo izay miantehitra aminao. — 5 T 179, 180.TF 275.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents